Entrée | 1 Vavaka ho an' ilay mpandalo |
Mots élémentaires | 2 vavaka, 3 ilay, 4 mpandalo |
Partie du discours | 5 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 6 Littérature: poèmes |
Auteur |
7 Raharolahy Mamy |
Editions |
1960/01. |
Texte complet |
9 Renin-jaza iny mihazakazaka iny, mitrotro zazakely. 10 Marary Ibeby kely, Ibeby tena tiany naman'ny Anjely! 11 Ny tebitebim-pony izany reko izany he mihasohaso 12 Mivavabavaka izy, sady mitomany mitelin-dranomaso. 13 Mitaraina Ibeby anaty lambany ao, mainka koa indreny 14 Mipatraka mijoy fa feno mitatao ny ranomason-dreny. 15 " Tompo, tahio iny renin-jaza iny, sombin'ainy koa; 16 Ny vavaka tononiny anaty fahoriany, henoy, ry Tompo soa! 17 Ianao no nanome ny zaza hifaliana ho kilalaon'ny reny. 18 Ianao no mahavonjy, lanao no iangaviana ra'marary ireny; 19 Tahio ny Dokotera izay halehany any hahita izay hatao, 20 Ianao no mpanazava ny saina ety an-tany k'aza dia mandao " . 21 Nony ampitso anefa, indrisy! fa iny ilay reny tazako nandalo 22 Mitafy sisika ila misaraka aman-teny, mimalo dia mimalo. 23 Ny sandriny ô! indrisy! tsy mitrotro intsony, fa iny eroa aloha 24 Lanjain'ny olon-droa ilay silaky ny fony mandry tsy hifoha. 25 Ry Tompo, Ianao no naka rahefa nanome iny zanak'olona iny! 26 Hankininy aminao ny fahoriany anie mba hisy hitsikiany! |
Mis à jour le 2025/05/06 |
![]() |